<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>28</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Efa voadinikao Andriamanitra ô!
 Ny fiainanay zanak'olombelona
 Tsy misy 'zay miafina amiko tsy hitanao
 Ianao no manendry izany Andriamanitra ô!

[V2]
 Indro ny fikasako voalahatrao
 Ny fiainako rehetra dia Aminao
 Ny fahotana vitako taminao
 Mangataka famelana Andriamanitra ô!

[V3]
 Aza avela aho hangaihay
 Fa ampioreno mafy ny finoako
 Ka na mamely ahy ny fakam-panahy
 Dia mahatoky Anao ny fanahiko.

[V4]
 Ny nofoko anie malemy no sady kely
 Torovana tsy ampy hery ka manahy
 Meteza Ianao anio Andriamanitra o!
 Ho hery sy toky ho ahy mandrakizay.

[V5]
 Ianao no vatolampy sy fiarovako
 Ny herinao no indro hizorako
 Ny foko ao anatiko ao efa fantatrao
 Dia raiso aho ho zanakao Andriamanitra ô!</lyrics>
<title>Efa voadinikao Andriamanitra ô FF28</title>
</song>